Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 26:59 - DIEM PROTESTANTA

59 izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

59 Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Ejipta; dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy ary i Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

59 izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

59 I Kaata niteraka an’i Amrama, ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jôkabeda, zanaka vavin’i Levỳ, izay nateraky ny reniny tamin’i Levỳ tany Ejipta, ary izy niteraka an’i Aarôna sy i Môizy ary i Maria anabavin’ireo, tamin’i Amrama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

59 Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

59 Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

59 Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Ejipta; dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy ary i Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:59
7 Rohy Ifampitohizana  

Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.


Nijanona lavidavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy.


I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.


«Aza miray amin’ny anabavin-drainao, satria havan-drainao akaiky dia akaiky izy.


Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.


Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra