Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 19:8 - DIEM PROTESTANTA

Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’i Mosesy tao amin’i Jehovah kosa ny tenin’ny olona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona.

Jereo ny toko



Eksodosy 19:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny olona sisa, na mpisorona, na levita, na mpiandry varavarana, na mpihira, na mpanampy ny levita, na izay rehetra efa niavaka tamin’ny valovotaka mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra, na ny vadin’ireo, na ny zanany lahy sy vavy, izany hoe izay rehetra efa mahahaino tsara,


Hoy ireo tamin’i Mosesy: –Ianao ihany no mitenena aminay dia hohenoinay fa aoka tsy hiteny aminay mivantana Andriamanitra, fandrao maty izahay.


Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.


Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.


Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.


Fa hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: –Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.


Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe: –Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.