Eksodosy 19:9 - DIEM PROTESTANTA9 Koa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin’ny rahona matevina, mba handrenesan’ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO ny valin-tenin’ny vahoaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina Aho, mba ho ren’ny olona Aho raha miteny aminao ka hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’NY TOMPO ny tenin’ny olona. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Koa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin’ny rahona matevina, mba handrenesan’ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO ny valin-tenin’ny vahoaka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika9 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho, mba ho ren’ny olona rehefa miteny aminao Aho, dia hinoany anao mandrakariva koa.» Ary nolazain’i Môizy tamin’i Iaveh ny tenin’ny vahoaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 ARY hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina, mba ho ren’ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’i Jehovah ny tenin’ny olona. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina Aho, mba ho ren’ny olona Aho raha miteny aminao ka hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’NY TOMPO ny tenin’ny olona. Jereo ny toko |
Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!
Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»