Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 19:19 - DIEM PROTESTANTA

Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nitatatata. Dia niteny i Mosesy ary Andriamanitra namaly azy tao anatin’ny kotroka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara. Ary niteny i Môizy, ka namaly feo azy Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nitatatata. Dia niteny i Mosesy ary Andriamanitra namaly azy tao anatin’ny kotroka.

Jereo ny toko



Eksodosy 19:19
9 Rohy Ifampitohizana  

Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.


«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.


Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.


Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.


Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?


Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.


Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.


sy trompetra maneno ary feo mireondreona. Nony ren’ny vahoaka Israely izany feo izany, dia nitalaho izy mba tsy hisy intsony teny hafa hatao aminy,


Nahatsiravina loatra ny zava-niseho ka hoy i Mosesy: «Mangorohoro aho fa matahotra loatra.»