Eksodosy 18:13 - DIEM PROTESTANTA Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin’ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy, ary nijoro teo anatrehan’i Mosesy hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin’ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan’i Mosesy. Baiboly Katolika Nony ampitso nipetraka hitsara ny vahoaka i Môizy, ka nitsangana teo anatrehany, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan’i Mosesy ny olona hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva. Malagasy Bible Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva. La Bible en Malgache Nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy, ary nijoro teo anatrehan’i Mosesy hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva ny olona. |
Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.
Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin’i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin’i Mosesy hoe: –Inona izao zavatra ataonao amin’ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?
dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an’ny taranak’i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombàm-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny.»
nanao hoe: –Nomena fahefana hivaofy ny lalànan’i Mosesy ny mpahay lalàna sy ny Farisianina.
Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.
Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan’Andriamanitra mitozo amin’io asa io.
Ianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka eo ambony karipetra, ianareo izay mandeha eny an-dalana, mankalazà ny TOMPO noho ny fandresena!