Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 17:4 - DIEM PROTESTANTA

Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Inona no hataoko amin’ireto olona ireto? Mila hitora-bato ahy izy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy nanao hoe: «Inona no ataoko ho an’ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Mosesy nitaraina tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin’ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Inona no hataoko amin’ireto olona ireto? Mila hitora-bato ahy izy!

Jereo ny toko



Eksodosy 17:4
11 Rohy Ifampitohizana  

I Mosesy sy i Aharôna tamin’ireo mpisorony ary i Samoela tamin’ireo mpivavaka aminy dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso.


Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.


ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Nahoana izaho mpanomponao no ampahorianao toy izao? ary nahoana no tsy anehoanao hatsarampo aho fa ampitondrainao enta-mavesatra amin’ny fitondrana ity firenena manontolo ity?


Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin’ny Israelita rehetra teo amin’ny Tranolay fihaonana.


Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;


Dia naka vato indray ny Jiosy hitorahana Azy,


Tamin’izay dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa i Jesoa kosa niery ka lasa nivoaka ny kianjan’ny tempoly.


Nisy Jiosy tonga avy tany Antiôkia any Pisidia sy avy tany Ikôniôma. Nahazo ny fom-bahoaka ry zareo ka nitora-bato hahafaty an’i Paoly, ary nitaritarika azy teo ivelan’ny tanàna satria nampoiziny ho efa maty.


Angaha tsy asan’ny tanako izao rehetra izao?»


Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.