Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.
Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.
Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany.