Fa nisy didin’ny mpanjaka ny amin’ireo mpihira ireo, dia ny handraiketana izay anjara asa hataony isan’andro.
Eksodosy 16:4 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan’andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalànako ianareo na tsia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan’andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalànako ianareo na tsia. Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan-andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalàko izy, na tsia. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan'andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Dia ho avy ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isanandro mba hizahako toetra azy, na handeha hanaraka ny lalànako izy na tsia. |
Fa nisy didin’ny mpanjaka ny amin’ireo mpihira ireo, dia ny handraiketana izay anjara asa hataony isan’andro.
Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.
Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara mba hahatonga hahay manavaka. Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony sy namorona rano hanala hetaheta azy.
Nangataka ireo, dia nandefasany papelika; ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.
Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.
Hitan’ny Israelita ireny nefa tsy fantany, ka nifanontany izy hoe: –Inona itony? Fa novalian’i Mosesy hoe: –Itony no mofo izay nomen’ny TOMPO hohaninareo.
Alao amiko ny fitaka sy ny lainga ary aza omena fahantrana aho na koa harena, fa izay hanina sahaza ahy ihany omena ahy.
Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin’ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay.
Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.
Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.