Eksodosy 16:20 - DIEM PROTESTANTA Nisy ihany anefa olona tsy nankatò an’i Mosesy ka namela sisa ho tra-maraina, saingy nivoaka olitra ireny ka maimbo; koa tezitra tamin’ireo i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’i Mosesy izy fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo. Dia tezitra tamin’ny olona i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy ihany anefa olona tsy nankatò an’i Mosesy ka namela sisa ho tra-maraina, saingy nivoaka olitra ireny ka maimbo; koa tezitra tamin’ireo i Mosesy. Baiboly Katolika Nefa tsy nihaino an’i Môizy izy fa nisy namela ho tra-maraina, ka sady niloaka olitra izany no maimbo. Tezitra tamin’izy ireo i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin’ny olona Mosesy. Malagasy Bible Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy. La Bible en Malgache Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’i Mosesy izy fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo. Dia tezitra tamin’ny olona i Mosesy. |
Hatreo dia nanangona izay sahaza hohaniny avy isa-maraina ny olona; ary rehefa nafana ny andro dia nitsonika ireny.
Dia navahan’izy ireo hotahirizina mandra-maraina ny ambiny araka izay nodidian’i Mosesy, nefa tsy maimbo na feno olitra.
I Mosesy kosa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona hafa rehetra ambonin’ny tany.
Tezitra aoka izany i Mosesy ka niteny tamin’ny TOMPO hoe: –Aza raharahainao akory izay fanatitr’izy ireo! Fa tsy mba naka na dia boriky iray taminy akory aza aho, ary koa tsy mba nanisy ratsy na dia ny anankiray taminy akory aza.
–Aza mangorona harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kadradraka sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra;
Nahita izany i Jesoa ka tezitra ary nilaza tamin’ny mpianany hoe: –Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza raràna, satria an’ny toa azy ireny ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!
Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan’ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba.
Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Aza avela hahazo laka amin’ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin’izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.»