Ary izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo: «Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangòna ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan’olona, araka ny isan’ny olona miara-belona ao amin’ny isan-dainy avy.»
Eksodosy 16:17 - DIEM PROTESTANTA Notanterahin’ny Israelita izany, ka nisy nanangona betsaka, ary nisy kosa nanangona kely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanatanteraka izany ny Zanak’Israely ka samy nanangona; ny sasany dia nanangona be, ny sasany kosa dia kely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notanterahin’ny Israelita izany, ka nisy nanangona betsaka, ary nisy kosa nanangona kely. Baiboly Katolika Dia nataon’ny zanak’i Israely izany; samy nanangona izy, ny an’ny sasany be, ny an’ny sasany kely. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanao izany ny Zanak’Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely. Malagasy Bible Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely. La Bible en Malgache Dia nanatanteraka izany ny Zanak’Israely ka samy nanangona; ny sasany dia nanangona be, ny sasany kosa dia kely. |
Ary izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo: «Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangòna ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan’olona, araka ny isan’ny olona miara-belona ao amin’ny isan-dainy avy.»
kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.