–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany? –Ilay TOMPO mahefa sy mahery, ilay TOMPO mahery an’ady!
Eksodosy 15:3 - DIEM PROTESTANTA Mpiady mahery ny TOMPO; mandia ny anarany hoe TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 NY TOMPO dia mpiady mahery. NY TOMPO no anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mpiady mahery ny TOMPO; mandia ny anarany hoe TOMPO. Baiboly Katolika Mpiady mahery i Iaveh, Ary i Iaveh no anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. Malagasy Bible Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. La Bible en Malgache NY TOMPO dia mpiady mahery. NY TOMPO no anarany. |
–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany? –Ilay TOMPO mahefa sy mahery, ilay TOMPO mahery an’ady!
Soa indrindra amin’ny samy olombelona ianao sady mahafinaritra ny teny ambaranao; koa aminao mandrakizay ny fitahian’Andriamanitra.
Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy hatrany amin’ny mandrakizay ka hangaihay sy ho ringana!
Nohidiany ny kodiaran’ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe: –Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!
Ka hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Eny àry fa hankany amin’ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: «Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy?
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: –Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay. Koa izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ilay hatrizay ka ho mandrakizay no naniraka ahy ho atỳ aminareo.»
Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.
Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady. Miantsoantso manao hiakan’ady Izy; ka maneho hery hihantsiana an’ireo fahavalony.
Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.
«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: