Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin’izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony taloha,
Eksodosy 15:17 - DIEM PROTESTANTA Entinao izy ka hamponeninao ao an-tendrombohitrao, ao amin’ny toerana izay nataonao ho fonenanao, ry TOMPO, dia ny Toeramasina izay naorinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hampiditra azy Ianao ka hamponina azy ao amin’ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ny fonenana nataonao hitoeranao, TOMPO ô, dia ao amin’ny fitoerana masina naorin’ny tananao, Tompo ô. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Entinao izy ka hamponeninao ao an-tendrombohitrao, ao amin’ny toerana izay nataonao ho fonenanao, ry TOMPO, dia ny Toeramasina izay naorinao. Baiboly Katolika Hitondra sy hamponina azy Ianao Eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao, Dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenanao, ry Iaveh ô, eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô Baiboly Protestanta Malagasy Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ny tendrombohitra lovanao, Ao amin’ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, Dia ao amin’ny fitoerana masina naorin’ny tànanao, Tompo ô. Malagasy Bible Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana masina naorin'ny tananao, Tompo ô. La Bible en Malgache Dia hampiditra azy Ianao ka hamponina azy ao amin’ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ny fonenana nataonao hitoeranao, TOMPO ô, dia ao amin’ny fitoerana masina naorin’ny tananao, Tompo ô. |
Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin’izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony taloha,
Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin’ny andro fahavelony.
Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba miverena; tsinjovy avy any an-danitra ka jereo ary karakarao ilay voalobokao:
Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!
Tarihinao amin’ny fitiavanao ny vahoaka izay navotanao. Amin’ny herinao no itondranao azy ho amin’ny fonenany masina.
«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo.
Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.
Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana àry ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa?
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe: ‹Hitahy anao anie ny TOMPO ry Tsiôna tendrombohitra masina, fonenan’ny famonjena!›
Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin’ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin’ity tany ity.
Hanao fanekempihavanana aminareo Aho, dia fanekempihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.
Amin’izay dia hoeken’ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Izay manokana an’i Israely hanompo Ahy rehefa tafaorina eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.»
Firenena maro no antsoinareo hankeo an-tendrombohitra mba hanolotra sorona araka ny voalahatra, satria angoronanareo harena ny ranomasina sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ny fasika.»
Kanefa raha heverinareo ho tsy mendrika ny TOMPO ireto zarataninareo, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny TOMPO izay misy ny tranolay fonenany, ka mangalà zaratany eo afovoan’ny anay; fa aza mikomy amin’ny TOMPO ianareo ary aza mikomy aminay amin’ny fanangananareo alitara, ankoatra ilay alitaran’ny TOMPO Andriamanitsika.