Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.
Eksodosy 13:19 - DIEM PROTESTANTA Nalain’i Mosesy ny taolambalon’i Jôsefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Jôsefa hoe: «Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiàna amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalain’i Mosesy ny taolambalon’i Jôsefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Jôsefa hoe: «Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiàna amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.» Baiboly Katolika Ary nentin’i Môizy niaraka taminy ny taolam-balon’i Josefa, araka ny nampianianan’i Josefa ny zanak’i Israely hoe: «Hovangian’Andriamanitra ianareo, ka ento lavitra miaraka aminareo hiala atỳ ny taolam-baloko.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo hianareo. Malagasy Bible Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. La Bible en Malgache Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. |
Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.
Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.
Ny mpiara-monina sy ny lafin-kavana dia samy nahare fa nanehoan’ny Tompo hatsaram-po lehibe i Elizabeta ka niara-paly taminy.
Raiki-tahotra ny olona rehetra sady nanome voninahitra an’Andriamanitra hoe: –Mpaminany lehibe no efa najoron’Andriamanitra eto anivontsika! Ary koa hoe: –Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra!
Nidina nankany Ejipta avokoa izy mianakavy; ary tany no maty i Jakôba sy ny razantsika.
Dia nafindra ho any Sekema ny taolam-balon’ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana novidin’i Abrahama vola tamin’ny taranak’i Hemôra tany Sekema.
Finoana no nilazan’i Jôsefa teo amin’ny faramparan’ny fiainany fa hiala tany Ejipta ny Israelita ary koa nanafatrafarany momba ny taolambalony.
Ny taolambalon’i Jôsefa, izay nampiakarin’ny Israelita avy tany Ejipta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ny sombin-tany izay novidin’i Jakôba volafotsy zato tamin’ny taranak’i Hamôra, ilay mpanorina an’i Sekema; ka nanjary nolovan’ny taranak’i Jôsefa izany.