Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 13:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Fa nentin’Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny lalan’ny efitra mankany amin’ny Ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa nentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny làlana mahazo any an-efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Koa noentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo ny tany efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady no fiakatry ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 13:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Koa mianiàna amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy atỳ ny taolam-baloko.


nentiny tamin’ny lala-mahitsy hahatongavana an-tanàna honenana.


Izy no nampizotra ny vahoakany tany an-taniefitra –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Andriamanitra ô, fony Ianao niainga mba hialoha ny vahoakanao ka namakivaky izany taniefitra, Fiatoana


Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.


–Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin’i Pi-Hahirôta eo anelanelan’i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, eo akaikin’ny ranomasina.


Ny tafika ejiptianina niaraka amin’ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin’i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin’ny ranomasina.


Kanefa aoka ny mpanjakanareo tsy hanana soavaly maro na handefa olona handevozina any Ejipta indray mba hahazoany soavaly maro, satria ny TOMPO efa niteny taminareo hoe: «Aza miverina amin’izany lalam-panandevozana izany intsony!»


Tany an-taniefitra no nanangonany azy, dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona. Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny, notandremany tahaka ny anakandriamasony.


Ny vady aman-janakareo ary ny biby fiompinareo dia mahazo mijanona eto amin’ity tany izay nomen’i Mosesy anareo ity. Fa ianareo vatan-dehilahy matanjaka rehetra mirongo fiadiana kosa dia hiampita hialoha ny mpiray firenena aminareo; ary hanampy azy ianareo


Ireo lehilahy mirongo fiadiana, avy amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase, dia nita teo alohan’ny Israelita sisa hafa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.


Tokony ho efatra alina ireo miaramila vonon-kiady no nita an’i Jôrdàna teo anatrehan’ny TOMPO ho any amin’ny tany lemak’i Jerikao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra