Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana.
Eksodosy 12:47 - DIEM PROTESTANTA «Ny fiangonana israelita tsivakivolo no samy hankalaza ny fety Paska. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fiangonan’ny Israely manontolo no hitandrina izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ny fiangonana israelita tsivakivolo no samy hankalaza ny fety Paska. Baiboly Katolika Ny fiangonan’i Israely rehetra hanao ny Paka avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany. Malagasy Bible Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany. La Bible en Malgache Ny fiangonan’ny Israely manontolo no hitandrina izany. |
Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana.
Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo.
Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan’ny fiangonan’i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin’ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany.
Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»