Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:48 - DIEM PROTESTANTA

48 «Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin’ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

48 Raha misy mivahiny eo aminao ka mba te hitandrina ny Paska an’NY TOMPO dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

48 «Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin’ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

48 Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan’i Iaveh, dia hoforàna avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

48 Raha misy mivahiny eo aminao ka mba te hitandrina ny Paska an’NY TOMPO dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:48
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.


Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao.


Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan’ny fiangonan’i Israely izy.


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.


«Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely miala amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin’ny mpaminany mba hahalala ny sitrapoko, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany.


«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny vahiny tsy miraiki-po amiko sady tsy voafora dia tsy misy hahazo miditra intsony ao amin’ny Toeramasina onenako, na dia mipetraka eo anivon’ny Israelita aza izy.»


Antsapaka no hizarànareo azy ho anareo ary koa ho an’ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valovotaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon’ny fokon’i Israely.


Ataovy tahaka ny anankiray aminareo tompontany ihany no fitondra ny vahiny valovotaka eo aminareo; fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»


Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra