Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo ka mba te hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na mpifindra monina, na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan’i Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an’ny vahiny na ho an’ny tompon-tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo ka mba te hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na mpifindra monina, na tompon-tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:14
14 Rohy Ifampitohizana  

Nihinana ny sakafo Paska avokoa ny Israelita rehetra nody avy any an-tsesitany; niaraka taminy koa ny namany efa nandao ny fiainan-dratsin’ireo valovotaka sy nanompo an’Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.


«Ny fiangonana israelita tsivakivolo no samy hankalaza ny fety Paska.


Aza otazana koa ny sampaho tavela amin’ny voalobokareo, ary aza tsimponina ny voany latsaka amin’ny tany; fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


Raha misy biby vositra entin’olona hafa firenena, dia tsy azonareo aterina ho sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo ireny; satria noho izy novosirina, dia misy kilema ka tsy hahazoanareo sitraka.»


«Fitsipika tokana no hitondrana anareo, na vahiny na tompontany, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»


Araka ny isan’ny taona, manomboka tamin’ny Jobily lasa, na koa araka ny isan’ny taom-pahavokarana ho avy no hividiananareo sy hivarotanareo azy amin’ny namanareo.


Mitovy ihany ny fitsipika ho an’ny mpiray fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny izay eo aminareo, ary dia hanan-kery amin’ny taranaka rehetra mifandimby izany; tsy hisy hafa ianareo sy ny vahiny eo anatrehako.


Lalàna sy fitsipika iray ihany no mifehy anareo sy izay vahiny eo aminareo.»


Hidiranareo izao ny fanekempihavanana ataon’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ary hirosoanareo ny fianianana hankatoavana izany.


Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, ary na dia ny vahiny ao an-tanànanareo aza, mba hihainoany sy hianarany izany ka hanajany ny TOMPO Andriamanitrareo sy himasoany hanatanteraka ny teny rehetra raketin’ity Lalàna ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra