Eksodosy 12:42 - DIEM PROTESTANTA Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany. Baiboly Katolika Alina niaretan-tory ho an’i Iaveh ilay alina namoahany azy avy tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an’i Iaveh, ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.» Baiboly Protestanta Malagasy Alina notandreman’i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’i Jehovah ka hotandreman’ny Zanak’Isiraely rehetra hatramin’ny taranany fara mandimby. Malagasy Bible Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby. La Bible en Malgache Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby. |
«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.
«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.