Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:40 - DIEM PROTESTANTA

Nandritra ny 430 taona no nivahinian’ny vahoaka Israelita tany Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny andro nitoeran’ny Zanak’Israely tany Ejipta dia telopolo sy efajato taona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandritra ny 430 taona no nivahinian’ny vahoaka Israelita tany Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny andro nitoeran’ny Zanak’Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny andro nitoeran’ny Zanak’Israely tany Ejipta dia telopolo sy efajato taona.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:40
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrama: –Aoka ho fantatrao tsara fa hivahiny any amin’ny tany izay tsy azy ireo taranakao, ka ho mpanompo any ary hampijalîna mandritra ny efajato taona.


Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy.


Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.


Ny Andriamanitr’ilay vahoaka Israely dia nifidy ny razantsika. Nataony tonga firenen-dehibe io vahoaka io fony izy nivahiny tany amin’ny tany Ejipta, ary tamin-kery lehibe no nitondrany azy hiala avy any Ejipta.


kanefa toy izao no tenin’Andriamanitra taminy: «Honina any an-tanin’olona ny taranakao mandritra ny efajato taona sady handevozina sy hampahorîna.


Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany.