Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.
Eksodosy 11:5 - DIEM PROTESTANTA Koa ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, manomboka amin’ny lahimatoanao Farao izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy mpanodina ny fikosoham-bary ary ny lahimatoan’ny biby fiompy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny matoan’i Farao izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny matoan’ny mpanompovaviny izay eo anilan’ny fikosoham-bary ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, manomboka amin’ny lahimatoanao Farao izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy mpanodina ny fikosoham-bary ary ny lahimatoan’ny biby fiompy rehetra. Baiboly Katolika ka ho faty ny lahy matoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’i Faraôna mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahy matoan’ny andevovaviny eo am-pototry ny vato fitotoam-bary, mbamin’ny lahy voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ny tany Egypta, hatramin’ny matoan’i Farao izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany ka hatramin’ny matoan’ny ankizivaviny izay eo anilan’ny fikosohambary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Malagasy Bible dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. La Bible en Malgache dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny matoan’i Farao izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny matoan’ny mpanompovaviny izay eo anilan’ny fikosoham-bary ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. |
Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.
novonoiny ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonan’ny terak’i Hama.
«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.
Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»
Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»
Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.
Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.
Kinanjo nosamborin’ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gazà izy ary nafatony tamin’ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.