Dia tezitra sy nisafoaka tamin’ilay mpahita i Asà noho izany ka nampiditra azy am-ponja. Ary nisy olona sasany koa nampahorîn’i Asà tamin’izay fotoana izay.
Eksodosy 10:28 - DIEM PROTESTANTA Fa hoy ny Farao tamin’i Mosesy: –Mandehana miala eto! Ary tandremo mba tsy hiseho eto amiko intsony; fa raha sanatria miverina eto amiko ianao dia maty! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Farao tamin’i Mosesy: Mialà amiko! Tandremo! Aza mahita ny tavako intsony ianao; fa amin’izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ny Farao tamin’i Mosesy: –Mandehana miala eto! Ary tandremo mba tsy hiseho eto amiko intsony; fa raha sanatria miverina eto amiko ianao dia maty! Baiboly Katolika Fa hoy i Faraôna tamin’i Môizy: «Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga atỳ anatrehako atỳ intsony, fa izay andro hitranganao atỳ anatrehako dia ho faty ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony hianao; fa amin’izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty hianao. Malagasy Bible Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao. La Bible en Malgache Hoy i Farao tamin’i Mosesy: Mialà amiko! Tandremo! Aza mahita ny tavako intsony ianao; fa amin’izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao! |
Dia tezitra sy nisafoaka tamin’ilay mpahita i Asà noho izany ka nampiditra azy am-ponja. Ary nisy olona sasany koa nampahorîn’i Asà tamin’izay fotoana izay.
Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe: –Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao! Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe: –Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
Tsy raikitra izany. Ianareo lehilahy no aoka handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO, fa izay ihany no tadiavinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan’ny Farao izy roa lahy.
ary ilay zandriny kosa nantsoiny hoe Elihezera na «Andriamanitro mamonjy ahy», fa hoy izy hoe: «Ny Andriamanitry ny raiko no namonjy ahy, ka niaro ahy tamin’ny famelezan’ny Farao.»
Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron’ny mpanjaka sady lapan’andriamanjaka no eto.»
Finoana no nandaozan’i Mosesy an’i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra tamin’ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita.