Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.
Eksodosy 10:20 - DIEM PROTESTANTA Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy. Baiboly Katolika Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nalefan’i Faraôna nandeha ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa Jehovah nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’Isiraely izy. Malagasy Bible Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy. La Bible en Malgache Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy. |
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa ao amin’ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.
Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza.
I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy.
Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.
Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.
Ary ny TOMPO nanamafy ny fon’ny Farao; koa arak’izay efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna izy.
Koa izay tian’Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.
Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.