Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 8:9 - DIEM PROTESTANTA

«Ary ny anankiray tamin’izy efatra ireo dia nipoiran’ny tandroka kely iray, izay nitatra nianatsimo sy niantsinanana ary hatrany any amin’ilay tany tsara indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireny ka nihalehibe dia lehibe nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ny tany mahafinaritra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ary ny anankiray tamin’izy efatra ireo dia nipoiran’ny tandroka kely iray, izay nitatra nianatsimo sy niantsinanana ary hatrany any amin’ilay tany tsara indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ny anankiray amin’ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ny tany mahafinaritra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin'ny anankiray amin'ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin'ny tany mahafinaritra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ny iray tamin’ireny ka nihalehibe dia lehibe nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ny tany mahafinaritra.

Jereo ny toko



Daniela 8:9
12 Rohy Ifampitohizana  

Nohamaroin’Andriamanitra tokoa ny vahoakany ary nataony mahery noho ny mpampahory azy.


Lehibe ny TOMPO Andriamanitsika, hany ka mendrika hoderaina fatratra ao an-tanànany, ao an-tendrombohiny masina.


Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.


Ary nianiana taminy koa Aho tany an-taniefitra fa tsy hitondra azy hiditra ao amin’ny tany efa nomeko azy, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra;


Tamin’izany andro izany no nianianako fa hampamoaka azy hiala any Ejipta Aho mba hitondra azy ho amin’ny tany nomaniko ho azy manokana, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra.


Izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony fa tsy hisy hahatohitra akory; ary hamahatra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy sady hanao fandripahana eo.


«Ary hisy olona fanebaka handimby io mpanjaka io nefa tsy hanam-pahamendrehana hanjaka akory; fa hiditra an-tsokosoko izy ka handrombaka an-kafetsena ny fahefà-manjaka.


Raha mbola nandinika ireo tandrony aho, indro nisy tandroka kely hafa nipoitra teo anivon’ireo ka nahongotra ireo tandroka telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso roa toy ny mason’olona sy nanana vava miteny avonavona mihoa-pampana.


Fa naeliko ho any amin’ny firenena isan-tokony izay tsy fantany akory izy. Tany lao no sisa navelany taoriany, ka tsy nivezivezen’olona intsony. Ary ilay taniny nahafinaritra iny dia nataony tonga taniefitra.»