Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.
Daniela 8:26 - DIEM PROTESTANTA Ary ny fivoasana momba ny hitanao ny amin’ny maraina sy hariva dia marina tokoa; saingy ahorony hiafina aloha izany fahitana izany, satria mbola ho amin’ny andro ela izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary marina ny amin’ireo hariva sy maraina voalaza ireo, nefa tano ho tsiambaratelo ny fahitana fa mbola ho andro maro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny fivoasana momba ny hitanao ny amin’ny maraina sy hariva dia marina tokoa; saingy ahorony hiafina aloha izany fahitana izany, satria mbola ho amin’ny andro ela izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia marina ny amin’ireo andro voalaza ireo, nefa ahoròny ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany. Malagasy Bible Ary dia marina ny amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany. La Bible en Malgache Ary marina ny amin’ireo hariva sy maraina voalaza ireo, nefa tano ho tsiambaratelo ny fahitana fa mbola ho andro maro izany. |
Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.
«Ry ilay taranak’olombelona, lazain’ny Israelita fa ny fahitanao ankehitriny dia tsy ho tanteraka raha tsy afaka elabe, ary izay hafatra ampitainao dia momba ny vanim-potoana mbola lavitra.»
Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kirôsa mpanjakan’i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin’i Daniela izay nantsoina koa hoe Beltesatsara. Izany hafatra izany dia azo antoka sady nilaza fa hisy fisedrana goavana. Nodinihin’i Daniela izany hafatra izany; ary tamin’ny alalan’ny fahitana no nahafantarany ny heviny.
Koa tonga aho ankehitriny hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao amin’ny andro farany, satria mbola hisy koa fahitana iray momba izany andro izany.›
Ary ankehitriny haharihariko aminao ny marina. Indro mbola hisy mpanjaka telo hifandimby hanjaka amin’i Persia; avy eo dia hisy iray fahefatra hangoron-karena be noho ireo talohany. Ary rehefa matanjaka tokoa izy noho ny hareny, dia hampirohotra ny hery rehetra ananany hamely ny fanjakana grika.
«Ry Daniela, ahorony hiafina ireo teny ireo ka asio tombo-kase tsy ho azo sokafana ity boky ity ambara-pahatongan’ny fotoana farany; ho maro amin’izay no hamaky azy ka hitombo fahalalana.
Fa namaly izy hoe: ‹Ry Daniela, mandehana fa efa voahorona hiafina ireo teny ireo sady voaisy tombokase tsy ho azo sokafana mandra-piavin’ny fotoana farany.
Ary rehefa namaly azy ny kotro-baratra fito, dia ndeha hanoratra aho; kanjo reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Tano ho anao izay voalazan’ny kotro-baratra fito, fa aza soratana!
Dia hoy koa ny anjely tamiko: –Aza afenina ny teny faminaniana raketin’ity boky ity, satria antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.