Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 6:6 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay dia hoy ireo lehilahy ireo: «Tsy ho hitantsika mihitsy izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy zavatra momba ny lalànan’ny Andriamaniny ihany».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalànan’ny Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay dia hoy ireo lehilahy ireo: «Tsy ho hitantsika mihitsy izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy zavatra momba ny lalànan’ny Andriamaniny ihany».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalàn’Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalànan’ny Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.

Jereo ny toko



Daniela 6:6
13 Rohy Ifampitohizana  

ka niteny tamin’ny amperôra hoe: –Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady levon’ny afo ny vavahadiny?


Ny hampahory ahy no resahina tontolo andro, ny hanisy ratsy ahy ihany no heverin’ireo.


Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.


Namaly ny mpanjaka tamin’ny teny aramianina ireo mpanandro ka nanao hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! Lazao aminay mpanomponao ny nofinao, dia hambaranay anao ny heviny.


Nandray fitenenana ireo ka nilaza tamin’i Nebokadnetsara mpanjaka hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka!


Nahare ny antsoantson’ny mpanjaka sy ireo olo-manan-kajany ny renin’ny mpanjaka, ka niditra tao amin’ny efitrano fanasana ary niteny hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! Aoka tsy hampitebiteby anao ny eritreritrao, ary aoka tsy hivaloarika ny tarehinao.


Ary nony fantatr’i Daniela fa nosoniavin’ny mpanjaka ny didy, dia nody tany an-tranony izy; ary novohany ny varavarankeliny tany ambony rihana nanandrify an’i Jerosalema. Intelo isan’andro izy no nandohalika nivavaka sy nidera an’ilay Andriamaniny satria efa fanaony hatry ny taloha izany.


Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo hoe: –Ry Daniela mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin’ny liona?


Nantsoina i Paoly ary dia nampangain’i Tertòly toy izao: –Andriamatoa governora hajaina, ianao no isian’izao fandriampahalemana tonga lafatra iadananay izao, ary ny fitondranao feno fahendrena no mahatonga ireo fivoarana mahasoa ity firenena ity.