Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 5:8 - DIEM PROTESTANTA

Dia niditra avokoa ireo olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahafantatra ny heviny tamin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ny mpanjaka nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niditra avokoa ireo olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahafantatra ny heviny tamin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niditra avokoa ny olon-kendrin’ny mpanjaka nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.

Jereo ny toko



Daniela 5:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny.


Amin’ny indray andro monja dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto: ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena. Eny, hihatra aminao avokoa ireo, na dia maro aza ny ody fampiàsanao ary na dia zavontany aza ny fankatòvanao.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Hisy ady hamely ny Babilônianina, mbamin’ny mponina ao an-drenivohitra sy ny mpitondrany ary ny olon-kendriny!


Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: –Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka!


Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany sady nisy sakafo ho an’ny miaina rehetra teo aminy; tao ambaniny no nialokaloka ny bibidia, ary tao amin’ny rantsany no nitoetra ny voro-manidina.


Vao niditra ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy, dia nambarako teo anatrehany ny nofiko, nefa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo.


Fa rehefa nandry teo am-parafara aho, dia izao no hitako: Indro nisy hazo iray teo afovoan’ny tany; ary fatratra tokoa ny haavony.


Ary vao teo no nentina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy mba hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny, nefa tsy nahalaza izany ireo.