«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia: Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan’ny vahoakan’ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!»
–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»
Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy zava-mahagaga any an-danitra sy etỳ an-tany; Izy no namonjy an’i Daniela ho afaka tamin’ny vahohon’ny liona.»
Ny mpitantan-draharaha ambony ato amin’ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solotenan’andriamanjaka sy ny mpanolotsaina ary ny governora dia nifanaraka fa tokony hamoaka lalàm-panjakana ianao, ry mpanjaka, fa ato anatin’ny telopolo andro, na iza na iza manao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.