Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 21:2 - DIEM PROTESTANTA

2 –Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Misy fahitana mampahory aseho amiko: Mamitaka ny mpamitaka ary mandringana ny mpandringana. Iakaro, ry Elama ô! Ataovy fahirano, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. «Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! eteo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Misy fahitana mampahory aseho amiko: Mamitaka ny mpamitaka ary mandringana ny mpandringana. Iakaro, ry Elama ô! Ataovy fahirano, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 21:2
44 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksàda sy i Loda ary i Arama.


Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary teny amin’ny tanànan’i Media.


Nahita mpivadika aho, ka narikoriko; ny hafatrao tsy mba tandremany.


dia ireo izay manambara hoe: «Ny filàzanay no handresenay lahatra; hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!»


Izay rehetra miantehitra aminao dia tsy mba ho diso fanantenana; fa ireo mivadika aminao no ho menatra, ka enga anie hitondra tanam-polo mody!


Andriamanitra ô, narianao sy nahahakao izahay; kanefa na tezitra aza Ianao, dia velombelomy izahay.


Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitarainan’ireo voafonja! Araka ny haben’ny herinao no iarovy ny ain’ireo voaheloka ho faty.


Ahazoan-tsitraka ny fahalalana enti-manasoa, fa ny toetran’ny ratsy fanahy kosa mitratrevatreva.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!


Mandry fahalemana ny tany tontolo ka velon-kiram-pihobiana ny olona.


Mitondra tsipîka sy zana-tsipîka ny Helamita, sady mitaingina kalesy sy soavaly; ary mamelatra ampinga ny mpiady avy any Kira.


Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.


Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.


Izany no lalana hiverenan’ireo navotan’ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiôna amin’ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin’ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.


Tezitra mafy tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hovetavetaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin’ny be antitra aza.


–ireo mpanjaka rehetra any Zimrỳ sy any Helama ary any Media;


I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.


Fa hampahereziko ireo efa reraka, ary homeko izay ilainy ireo rehetra efa trotraka. (


«Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!»


Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hopotehiko ny tsipîkan’i Helama fa izany no loharanon’ny heriny.


Ianareo rehetra mpitifitra amin’ny tsipîka, milahara manodidina an’i Babilôna. Amelezo azy ny zana-tsipîkanareo ka aza tsitsîna mihitsy satria meloka eo anatrehan’ny TOMPO izy.


Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery: TOMPOn’izao rehetra izao no anarako. Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny mba hampiadana ny taniny sy hampikorontana kosa ny mponin’i Babilôna.»


Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.


Hoy ny TOMPO hoe: «Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela andriamanitr’i Babilôna Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan’i Babilôna!


Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Ho tonga eo anatrehanao anie ny faharatsiany rehetra ka valio izy tahaka ny namalianao ahy tamin’ny fahadisoako rehetra. Satria maro loatra ny sentoko ka mankararirary ny foko izany.


PERESA: Voazara, voazara ny fanjakanao ka omena ny Medianina sy ny Persianina.»


Nitebiteby mafy i Belsatsara mpanjaka sady vao mainka nivaloarika ny tarehiny, ary very hevitra koa ireo olo-manan-kajany.


Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho.


Ny ondrilahy izay hitanao nanana tandroka roa dia manondro ny fanjakana medianina sy persianina.


Raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy. Amin’izany no ilana ny faharetana sy ny finoana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra.»


Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra