Naorin’ny TOMPO any an-danitra ny sezafiandrianany, mifehy an’izao rehetra izao ny fanjakany.
Daniela 4:25 - DIEM PROTESTANTA Dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara mpanjaka avokoa izay rehetra nambaran’ny nofiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo rehetra ireo dia nanjo an’i Nebokadnezara mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara mpanjaka avokoa izay rehetra nambaran’ny nofiny. Baiboly Protestanta Malagasy Izany rehetra izany no nanjo an’i Nebokadnezara mpanjaka. Malagasy Bible Izany rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka. La Bible en Malgache Ireo rehetra ireo dia nanjo an’i Nebokadnezara mpanjaka. |
Naorin’ny TOMPO any an-danitra ny sezafiandrianany, mifehy an’izao rehetra izao ny fanjakany.
Fantaro fa ny didim-pitsarana havoaka dia tsy avy any atsinanana na avy any andrefana, tsy avy any avaratra na avy any atsimo;
Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy hatrany amin’ny mandrakizay ka hangaihay sy ho ringana!
Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby eny ambonin’ny tany tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina, ka manome azy ho an’izay tiako.
Izy no tompon’ny fotoana sy ny tantara; Izy no manonga-mpanjaka sy mananga-mpanjaka; Izy no manome ny fahendrena ho an’ny hendry ary ny fahaiza-manavaka ho an’ny mahira-tsaina.
Ry mpanjaka ô, ianao no mpanjakan’ny mpanjaka fa nomen’ilay Andriamanitry ny lanitra ho anao ny fanjakana sy ny hery ary ny tanjaka sy ny voninahitra.
Izay ny mpanjaka vao namaly an’i Daniela ka nanao hoe: –Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa afaka nanambara tamiko izany zava-miafina izany ianao.
Dia talanjona fotoana fohy i Daniela izay antsoina hoe Beltesatsara, ary nampitebiteby azy mafy ny eritreriny. Ka hoy ny mpanjaka taminy: –Ry Beltesatsara, aoka tsy hampitebiteby anao ny nofy sy ny heviny. Fa namaly i Beltesatsara ka nanao hoe: –Ry andriamanjaka ô, enga anie ny nofy sy ny heviny ka ho an’ny mpankahala anao mbamin’ny fahavalonao!
Nahita hazo iray lehibe sy matanjaka ianao, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny tany tontolo izy.
Nanonofy zava-nampatahotra ahy aho ka nieritreritra teo am-pandriana; fa izay hitako dia nampitebiteby ahy.