Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 2:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Ry mpanjaka ô, ianao no mpanjakan’ny mpanjaka fa nomen’ilay Andriamanitry ny lanitra ho anao ny fanjakana sy ny hery ary ny tanjaka sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka ianao fa nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery, fahaleovana sy voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Ry mpanjaka ô, ianao no mpanjakan’ny mpanjaka fa nomen’ilay Andriamanitry ny lanitra ho anao ny fanjakana sy ny hery ary ny tanjaka sy ny voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ny mpanjaka sady nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka ianao fa nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery, fahaleovana sy voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 2:37
32 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilôna.


«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia: Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan’ny vahoakan’ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!»


«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia. Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda.


«Avy amiko Artakserksesa, mpanjakan’ny mpanjaka, ity taratasy ho an’i Hezrà mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalànan’Ilay Andriamanitry ny lanitra. Mamangy anao aho sns...


–Aza mitoky amin’ny fanaovana an-keriny, aza miankina amin’ny fangalarana. Raha mitombo fananana ianareo, aza mba miraiki-po amin’izany.


amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka, sy ahazoan’ny mpitondra manao didy ara-drariny;


Fa hoy izy hoe: ‹Moa tsy mitovy lanja amin’ny mpanjaka ve ireo jeneraliko?


Mipetraha mangina ianao ary misitriha any amin’ny maizina, ry renivohitry ny Kaldeanina, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «tompovavin’ny fanjakana maro».


Sady nampian’i Jeremià hoe: –Izao manko no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Zioga vy no apetrako eny an-tsoroky ny firenena rehetra amin’ity faritany ity, ka hanompo an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy; eny, na dia ny bibidia aza dia hampanekeko azy koa.»


Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:


«Izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: ‹Hoentiko avy any avaratra hamely anao, ry Tiro, ny mpanjaka mahery indrindra, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Ho avy hanafika anao izy, miaraka amin’ny soavaly sy kalesy ary mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny miaramila betsaka navoriny.


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


«Ry mpanjaka ô, izao àry no hitanao: Nisy sarivongana iray tena lehibe nijoro teo anoloanao ary namirapiratra sady nahatahotra ny endriny.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Ianao io hazo io, ry mpanjaka! Fa tonga lehibe sady matanjaka ianao; ny fahalehibeazanao dia nitombo ka nahatakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany.


Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.


Dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara mpanjaka avokoa izay rehetra nambaran’ny nofiny.


Ary nanome baiko aho mba hoentina eo anatrehako avokoa ny olon-kendrin’i Babilôna rehetra hampahafantatra ahy ny hevitry ny nofy.


Ny mponina rehetra etỳ an-tany dia tsinontsinona ihany eo anoloany; araka izay sitrapony no ataony amin’ny anjely any an-danitra sy amin’ny mponina etỳ an-tany; tsy misy afaka manohitra ny fahefàny na manome tsiny azy amin’izay ataony.


Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.


Ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an’i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza.


Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.


Na dia nizara fanomezana tamin’ny firenen-kafa aza izy, dia tonga kosa ny fotoana hamoriako azy ankehitriny. Ary tsy ho ela izy dia hijaly noho izay hatambesatr’ilay mpanjakan’andriana.


aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]


I Jesoa kosa namaly azy hoe: –Tsy hanana fahefana amiko akory ianao, raha tsy nomen’Andriamanitra anao izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa!


ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,


Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.


Ary izao no anarana voasoratra teo amin’ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.»


«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, sady noho ny sitraponao no nisiany sy naha ary azy.»


ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Ny Zanakondry, Izay efa voavono ho faty, no mendrika handray ny fahefana sy ny harena, ny fahendrena sy ny hery, ny haja sy ny voninahitra ary ny dera.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra