Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 3:5 - DIEM PROTESTANTA

«Raha vao renareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny sarivongan’olona volamena izay natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara, ny sodina, ny lokanga, ny harpa, ny valiha, ny anjombona ary ny zavamaneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny sariolona volamena izay natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha vao renareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny sarivongan’olona volamena izay natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany hianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ny sariolona volamena izay efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara, ny sodina, ny lokanga, ny harpa, ny valiha, ny anjombona ary ny zavamaneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny sariolona volamena izay natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka.

Jereo ny toko



Daniela 3:5
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny sampin’ny hafa firenena kosa dia volafotsy amam-bolamena; zavatra notefen’olombelona ireny:


Dia niankohoka i Nebokadnetsara mpanjaka, ka nanome voninahitra an’i Daniela ary nampanolotra fanomezana sy zava-manitra ho azy.


Namoaka didy ianao, ry mpanjaka, nanao hoe: «Ny olona rehetra dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongan’olona volamena rehefa mandre ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany.


Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin’ny fotoana izay handrenesanareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin’ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin’ny fahefàko?


Koa tamin’ny fotoana izay nandrenesana ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ny sarivongana volamena izay efa natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka ireo vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra.