Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;
Daniela 3:17 - DIEM PROTESTANTA Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro mirehitra afo sady hamonjy anay amin’ny tananao, ry mpanjaka ô. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin ny tànanao, ry mpanjaka ô. Malagasy Bible Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô. La Bible en Malgache Indro Andriamanitra izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro mirehitra afo sady hamonjy anay amin’ny tananao, ry mpanjaka ô. |
Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;
Moa misy zavatra tsy hain’ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.
Raha mangina Andriamanitra, zovy no hanameloka Azy? Raha manafin-tava Izy, zovy no hahita Azy? Kanefa miahy ireo firenena sy ny olombelona rehetra Izy
Hamonjy anao amin’ny fahoriana matetika Izy; ka amin’ny farany tsy hahavoa anao intsony ny loza.
Manampy sy manafaka azy ny TOMPO, manafaka azy amin’ny olon-dratsy ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.
Tompo ô, rehefa mifoha homba ahy Ianao, dia ho levona ireny toy ny ahalevonan’ny nofin’ny olona rehefa taitra izy.
Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»
Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao: hampanalaviriko anao ny famoretana, ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao; hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana, ka tsy hananontanona anao intsony.
Aza matahotra azy fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao. Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.
Hataoko manda varahina mafy ianao manoloana ity vahoaka ity. Hiady aminao izy fa tsy hahatohitra anao, satria miaraka aminao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
Dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe: –Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ! Niaraka tamin’izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao.
Fa dodona niverina tany amin’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa araka ny lalànan’ny Medianina sy ny Persianina, ny didy aman-dalàna izay navoakan’ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.
Mamoaka izao didy izao aho mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniela manerana ny fanjakako. Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany tsy mety rava ary ny fanapahany haharitra tsisy farany.
Fa izaho kosa mitodika amin’ny TOMPO ary manantena an’Andriamanitra mpamonjy ahy, fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.
Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin’ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin’i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.
Kanefa dia novaliany hoe: –Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.
Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Izy no nanafaka anay tamin’ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany,
Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.
Ny TOMPO izay efa niaro ahy tamin’ny hohon’ny liona sy ny bera, dia hanafaka ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io. Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: –Mandehana àry, ka homba anao anie ny TOMPO!
Anio ihany no hanoloran’ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely.