Kanefa indray andro any kosa i Môaba dia mbola haveriko amin’ny laoniny indray, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.» Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an’i Môaba.
Daniela 11:41 - DIEM PROTESTANTA Ary hiditra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy ka betsaka ny olona haripany; nefa ho afaka amin’ny tanany kosa ireo Môabita sy Edômita ary ny lohandohan’ny Hamônita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra koa izy ary maro no ho lavo; fa ireto avy kosa no ho afa-mandositra ny tanany: i Edoma sy i Moaba ary ireo lohan’ny taranak’i Amona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hiditra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy ka betsaka ny olona haripany; nefa ho afaka amin’ny tanany kosa ireo Môabita sy Edômita ary ny lohandohan’ny Hamônita. Baiboly Protestanta Malagasy Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan’ny taranak’i Amona. Malagasy Bible Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona. La Bible en Malgache Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra koa izy ary maro no ho lavo; fa ireto avy kosa no ho afa-mandositra ny tanany: i Edoma sy i Moaba ary ireo lohan’ny taranak’i Amona. |
Kanefa indray andro any kosa i Môaba dia mbola haveriko amin’ny laoniny indray, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.» Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an’i Môaba.
Rehefa afaka izany vao hampodîko avy amin’ny fahababoany ny Hamônita. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»
Izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony fa tsy hisy hahatohitra akory; ary hamahatra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy sady hanao fandripahana eo.
Ary hanitatra ny fahefàny ao amin’ny tany hafa izy ka na dia i Ejipta aza dia tsy ho afa-mitsoaka.
Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»
«Ary ny anankiray tamin’izy efatra ireo dia nipoiran’ny tandroka kely iray, izay nitatra nianatsimo sy niantsinanana ary hatrany any amin’ilay tany tsara indrindra.