Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 48:47 - DIEM PROTESTANTA

47 Kanefa indray andro any kosa i Môaba dia mbola haveriko amin’ny laoniny indray, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.» Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an’i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

47 Nefa mbola hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany i Moaba amin’ny ho avy, hoy NY TOMPO. Hatreto ny amin’ny fitsarana an’i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

47 Kanefa indray andro any kosa i Môaba dia mbola haveriko amin’ny laoniny indray, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.» Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an’i Môaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

47 Mbola hampodiko anefa ny voababo amin’i Moaba, any amin’ny farandro any, - teny marin’i Iaveh. - Hatreto ny fitsarana an’i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

47 Nefa mbola hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany Moaba any am-parany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin’ny fitsarana an’i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

47 Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:47
22 Rohy Ifampitohizana  

Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy; ka hitsangana farany eo amin’ny tany Izy.


Amin’izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiôna izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.


Nefa ny tombombarony sy ny vola azony dia hatokana ho an’ny TOMPO. Tsy hangonina ireny na hotahirizina fa hatao sakafo hamokisana ireo mitoetra eo anatrehan’ny TOMPO, sady hividianana fitafiana mendrika ho azy.


Ao izy no hitsiparaka tanana toy ny fanaon’ny mpilomano; nefa hampietry ny avonavon’i Môaba ny TOMPO na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.


Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatòna miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.


Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo ratsy fanahy rehetra mpifanila fonenana amin’ny fireneko: «Mikasikasika ny zaratany nomeko an’i Israely vahoakako ireo, ka dia hongotako hiala amin’ny taniny, ary hongotako hiala eo anivony koa ny vahoakan’i Joda.


Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin’ny anjara fananany ao amin’ny taniny avy.


Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.


Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.


Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mbamin’ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin’ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Nefa indray andro any ny Helamita dia haveriko avy any am-pahababoana ihany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Rehefa afaka izany vao hampodîko avy amin’ny fahababoany ny Hamônita. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Ary any aoriana any, rehefa afaka taona maromaro, dia ianao no hasaiko maka an-keriny ny tanin’i Israely. Fa rehefa afaka tamin’ny ady ny mponina tao, dia niala tamin’ny firenena maro nielezany ary novorîna teo an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao hatry ny ela. Fa rehefa navoaka avy tany amin’ireo firenen-kafa izy rehetra, dia niaina tamim-pilaminana.


Koa tonga aho ankehitriny hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao amin’ny andro farany, satria mbola hisy koa fahitana iray momba izany andro izany.›


Ary hiditra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy ka betsaka ny olona haripany; nefa ho afaka amin’ny tanany kosa ireo Môabita sy Edômita ary ny lohandohan’ny Hamônita.


Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an’i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin’ny hoavy. Koa izao àry ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


koa ankehitriny, handeha aho hody any amin’ny fireneko. Nefa alohan’izany, dia avia fa tiako hampahafantarina anao izay hataon’ny Israelita amin’ny vahoakanao indray andro any.


Fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba tokoa ny Israelita ka hiala amin’ny sori-dalana izay nasaiko hizorany; dia ho tratry ny loza ireo, any am-parany any, satria hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ireo ka hampahatezitra Azy amin’ny asany.


Rehefa hiharan’ireo zavatra rehetra voalazako ireo ianareo any am-parany any ka hozoim-pahoriana, dia hiverina amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hihaino indray ny feony;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra