Fa nisy mpaminany nanatona an’i Ahaba mpanjakan’i Israely ka nanao hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Hitanao va ireo miaramila marobe ireo? Hatolotro eo an-tananao ireo anio, ka dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.»
Daniela 11:11 - DIEM PROTESTANTA Hisafoaka ny mpanjaka ao atsimo ka hivoaka hiady amin’ny mpanjaka ao avaratra, izay hamory miaramila marobe; nefa io tafika goavana io dia hatolotra ho eo an-tanam-pahavalo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hisafoaka ny mpanjakan’ny atsimo ka hivoaka hiady aminy, dia amin’ny mpanjakan’ny avaratra izay hanangona olona marobe; nefa ireo olona marobe ireo dia hatolotra ho eo an-tanany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisafoaka ny mpanjaka ao atsimo ka hivoaka hiady amin’ny mpanjaka ao avaratra, izay hamory miaramila marobe; nefa io tafika goavana io dia hatolotra ho eo an-tanam-pahavalo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia hisafoaka ny mpanjakan’ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin’ny mpanjakan’ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany. Malagasy Bible Ary dia hisafoaka ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany. La Bible en Malgache Dia hisafoaka ny mpanjakan’ny atsimo ka hivoaka hiady aminy, dia amin’ny mpanjakan’ny avaratra izay hanangona olona marobe; nefa ireo olona marobe ireo dia hatolotra ho eo an-tanany. |
Fa nisy mpaminany nanatona an’i Ahaba mpanjakan’i Israely ka nanao hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Hitanao va ireo miaramila marobe ireo? Hatolotro eo an-tananao ireo anio, ka dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.»
Dia nanatona ilay olon’Andriamanitra ka niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Satria nataon’ny Sirianina fa Andriamanitry ny tendrombohitra ihany ny TOMPO fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka koa, dia hatolotro eo an-tananao ireo miaramila marobe ireo, ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.»
fony Ianao nitsangana hilaza ny fanapahan-kevitrao hamonjy ny malahelo rehetra eto amin’ny tany. Fiatoana
Koa ankehitriny dia atolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko ny taninareo rehetra; ary atolotro hanompo azy na dia ny bibidia aza.
Ary resin’ilay mpanjaka ao atsimo ireo vahoaka marobe ireo ka hampiavonavona ny fony; nefa, na dia haharingana miaramila 10 000 maro aza izy, dia tsy handresy.
«Ary amin’ny fotoana farany dia hanoto azy indray ny mpanjaka ao atsimo, nefa ny mpanjaka ao avaratra dia hipaoka azy toy tafio-drivotra miaraka amin-kalesy sy mpitaingi-tsoavaly ary sambo marobe; ary hiditra amin’ny tany isan-karazany izy ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky.
Kanefa hisy vaovao avy any atsinanana sy avy any avaratra hampitebiteby azy, ka hiainga hanafika amin-katezerana mafy izy mba handrava zavatra sy handringana olona maro.
«Ary hahery ilay mpanjaka ao atsimo; kanefa ny iray amin’ireo filohan-tafiny dia hahery kokoa noho izy ka hanapaka, ary hanana fanapahana mitatra kokoa noho ny azy aza.
Napetrany eo ambany fifehezanao koa ny olombelona sy ny biby eny an-tsaha ary ny voro-manidina; eo ambany fifehezanao ireny, na aiza na aiza itoerany, ka ianao no nataon’Andriamanitra ho mpanjakan’izy rehetra; ianao izany no ilay loha volamena.
Ary hitako izy tafapaka teo akaikin’ilay ondrilahy, dia nisafoaka taminy ary namely azy ka nahamontsana ny tandrony roa; tsy nanan-kery hoenti-manohitra azy intsony ilay ondrilahy ka dia natrosony tamin’ny tany sady nohosihoseny; ary tsy nisy naharombaka ilay ondrilahy teo an-tanany.