Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 1:9 - DIEM PROTESTANTA

Ary nataon’Andriamanitra nahazo fitia sy indrafo teo anatrehan’ny lehiben’ny tandapa i Daniela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindrampo tamin’ilay lehiben’ny tandapa i Daniela.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nataon’Andriamanitra nahazo fitia sy indrafo teo anatrehan’ny lehiben’ny tandapa i Daniela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindrampo tamin’ilay lehiben’ny tandapa Daniela.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nataon’Andriamanitra nahita fitia sy famindrampo tamin’ilay lehiben’ny tandapa i Daniela.

Jereo ny toko



Daniela 1:9
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba.


dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.


ary dia avelao ny heloky ny vahoakanao izay efa nanota taminao sy ny fahadisoana rehetra izay vitany taminao. Enga anie hataonao mahazo indrafo amin’ny mpamabo azy, ka hamindrany fo tokoa.


Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.


Dia hoy ny amperôra tamiko: –Inona àry no angatahinao? Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha,


Nahazo fanambinana teo anatrehan’i Hegay i Estera, satria nahafinaritra azy ny toetran-drazazavavy: nomeny faingana azy ny fitaovana hikarakarany tena sy ny anjara sakafony ary koa mpanompovavy fito izay voafantina manokana avy tao an-dapa; dia nafindrany ho ao amin’ny efitra tsara indrindra tao amin’ny tranom-behivavy izy sy ireo mpanompovaviny.


Nefa vonjen’Andriamanitra ny ketraka mba tsy hianjadian’ny sabatra, ary ny mahantra mba tsy ho azon’ny mahery;


mamelom-panantenana ny osa izany, ary mampikombom-bava ny ratsy fanahy.


Izay rehetra namabo ny razanay dia nataony nahay nangoraka azy.


Mandra-pahoviana, rey olona, no handotoanareo ny voninahitro? Ny hanendrikendrika ahy tsy amin’antony sy ny hamoron-dainga hiampangana ahy: izany no kendrenareo hatrany hatrany. Fiatoana


Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona, na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.


Fa hoy ity lehiben’ny tandapa taminy: –Ny andriamanjaka no efa nampanokana ny ho sakafonareo sy ho fisotronareo; koa matahotra aho fandrao ianareo hitany mahia endrika mitaha amin’ireo zatovo mitovy taona aminareo, ka dia hotapahiny ny lohako noho ny aminareo.


ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.