Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 1:8 - DIEM PROTESTANTA

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen’Andriamanitra anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ianao na amiko izay mpifatony. Fa aoka ianao ho mpiombona fahoriana amiko noho ny Filazantsara araka ny herin’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen’Andriamanitra anao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, na ahy mpifatony hianao; fa aoka hianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ianao na amiko izay mpifatony. Fa aoka ianao ho mpiombona fahoriana amiko noho ny Filazantsara araka ny herin’Andriamanitra,

Jereo ny toko



2Timoty 1:8
48 Rohy Ifampitohizana  

Ny baikonao no holazaiko tsy amin-kenatra eo anatrehan’ny mpanjaka.


Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany; ka, eny amin’ny lalan-kizorany eny, dia tsy misy afa-miery amin’ny hafanàny.


Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny, ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako; aza matahotra izay fanaratsian’ny olona na milefitra amin’ny fanalam-baràka ataony,


Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.


Na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa ho avy ombàn’ny voninahiny, dia ny voninahitra ananan’ny Ray sy ananan’ny anjely masina.


Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin’ny voalohany ianareo!


Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa.


Koa tamin-kafaliana no nialan’ny apôstôly teo amin’ny Fitsarana ambony, satria nataon’Andriamanitra mendrika halaim-baràka ho voninahitr’i Jesoa.


Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.


Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, araka ny hafatra torîko momba an’i Jesoa Kristy, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin’Izy Andriamanitra.


Araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Noho ny aminao no anatrehanay fahafatesana tontolo andro; toy ny ondry hovonoina ny fihevitry ny olona anay!»


araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiôna; kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.»


Izay nijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo,


amin’ny fitorianay ny marina ary amin’ny hery omen’Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena,


Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin’i Kristy Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin’Andriamanitra ho anareo.


Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.


Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin’ny Tompo: manàna fitondrantena mendrika ny fiantsoan’Andriamanitra anareo.


Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin’ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan’ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany


Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly.


Ny hany iriko dia ny hahalalako an’i Kristy, ka hahatsapako ny herin’ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanahafako Azy amin’ny fahafatesany;


Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy manome hery ahy.


ary hampahatanjahina tanteraka amin’ny heriny be voninahitra mba hanananareo fandeferana sy faharetana amin’ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana


Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana.


Fony mbola tatỳ aminareo izahay, dia efa nilaza fa tsy maintsy hampahorîna isika; ary dia nitranga izany, araka izay fantatrareo.


nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin’ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra.


kanefa naharihariny antsika ankehitriny tamin’ny nisehoan’ilay Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa Izay nanafoana ny herin’ny fahafatesana sy nanambara mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly.


ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.


Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko!


Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa.


Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin’ny taranak’i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly torîko.


Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin’Andriamanitra tsy mba voagadra.


Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.


Fa ianao kosa, aoka hahafehy tena amin’ny zavatra rehetra, zakao ny fijaliana, tontosao ny asa maha mpitory Vaovao Mahafaly anao, ataovy lavorary ny fanompoanao amin’Andriamanitra.


dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.


Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.


Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny;


Io Jôhany io no vavolombelona nampita ny teny avy amin’Andriamanitra sy ny hafatra nijoroan’i Jesoa Kristy ho vavolombelona, dia ny zavatra rehetra efa hitany.


I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.


Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin’ny Zanakondry sy ny tenin’Andriamanitra nijoroan’izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza.


Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.