Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 2:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin’Andriamanitra tsy mba voagadra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 izay iaretako fahoriana hatramin’ny fifatorana aza, toy ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin’Andriamanitra tsy mba voagadra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 izay iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 izay iaretako fahoriana hatramin’ny fifatorana aza, toy ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 2:9
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisy koa olon-dratsy roa lahy nentina hiara-kovonoina amin’i Jesoa.


Dia nanatona an’i Paoly ny komandy ka nampisambotra azy ary nanome baiko hamatorana azy amin’ny gadra vy anankiroa, sady nanontany hoe: –Iza moa io? Ary inona no nataony?


Nitory ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary nampianatra momba an’i Jesoa Kristy Tompo tamim-pahasahiana tokoa sady tsy nisy fisakantsakanana.


Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.


Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin’i Kristy Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin’Andriamanitra ho anareo.


irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an’i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin’izao maha voafonja ahy izao.


Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly.


Soratanako ireto teny ireto: veloma, hoy i Paoly. Tsarovy fa voafonja aho. Homba anareo anie ny fahasoavan’Andriamanitra!


Mivavaha koa ho anay, mba hataon’Andriamanitra afaka malalaka mitory ny teniny izahay, ka hanambara ny tsiambaratelo momba an’i Kristy. Fa ny fitoriana izany tsiambaratelo izany indrindra no mahavoafonja ahy izao.


Nanako avy teo aminareo ny tenin’ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an’i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.


Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin’ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo.


ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.


Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko!


Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen’Andriamanitra anao.


Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa.


Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.


Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.


na ireo mpifehy izany, satria nirahin’ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa.


saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan’i Kristy anareo.


Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra