Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?
2Jaona 1:12 - DIEM PROTESTANTA Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany. Fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiresaka mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika mba ho tanteraka ny fifalianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany. Fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiresaka mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika. Baiboly Katolika Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho fa tsy tiako atao an-taratasy na amin’ny ranomainty izany, fa ho any aminareo aho, ka dia hiteny mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafalianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo. Malagasy Bible Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo. La Bible en Malgache Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika mba ho tanteraka ny fifalianareo. |
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?
Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo.
Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.
Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin’izao tontolo izao Aho, mba hananan’ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra dia mipetraka eo anilan’ny mpampakatra sy mihaino azy ary faly tokoa mandre ny feony. Izany hafaliana izany no efa tanteraka amiko ankehitriny.
Koa manantena aho fa amin’ny diako hankany Espaina, dia handalo eo aminareo ka hahita anareo; ary dia hampianareo ho any amin’io tany io, rehefa fenofeno ny hafaliako aminareo.
Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako.
Ary mba anomano efitrano koa aho; satria antenaiko fa noho ny vavaka ataonareo, dia haverin’Andriamanitra ho eo aminareo aho.
Iangaviako manokana ianareo hangataka amin’Andriamanitra mba hamerenany ahy faingampaingana atỳ aminareo.
Aoka ho fantatrareo fa efa afaka i Timôty havantsika, koa raha tàhiny tonga faingampaingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin’izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon’izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin’ny Fiangonana.