Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 1:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 ary maniry hahita anao aho mba ho feno ny fifaliako satria tsaroako ny ranomasonao;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Tsaroako izany ranomasonao, ka maniry hahita anao aho mba ho feno fifaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 ary maniry hahita anao aho mba ho feno ny fifaliako satria tsaroako ny ranomasonao;

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 1:4
19 Rohy Ifampitohizana  

Izay mamafy amin-dranomaso no hijinja amim-pihobiana.


Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»


Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony, ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin’ny fahoriany.


Ianareo koa dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanaisotra ny hafalianareo.


Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.


Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian’alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan’ny Jiosy hamely ahy.


Noho izany, miambena ianareo ka tsarovy fa telo taona maninjitra, tsy niato aho namarafara anareo tsirairay andro aman’alina, eny, tamin-dranomaso aza.


Irîko dia irîko tokoa ny hahita tava anareo hahazoako mampita aminareo fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, mba hankahery anareo


Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin’ny fon’i Kristy Jesoa aho.


Manina anareo rehetra izy ary sahiran-kevitra mafy noho ny nandrenesanareo azy hoe narary.


Ary izahay, ry havana, hatramin’ny nahatafasaraka anay vetivety taminareo izay lavitry ny masonay fa tsy lavitry ny fonay, dia maniry mafy mihitsy hahita anareo, ka manao izay azonay atao hahatanteraka izany.


Ataovy mihitsy izay hahatongavanao atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobola sy i Podensa, i Lino sy i Klaôdia ary ny havana rehetra iray finoana.


Ataovy mihitsy izay hahatongavanao faingana atỳ amiko.


Izany no soratanay aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.


Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.»


Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharano velona; ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra