Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




3Jaona 1:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin’izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon’izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin’ny Fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Koa amin’izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin’izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon’izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin’ny Fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ka rehefa tonga aho dia hopotsiriko ny nataony, sy ny bedibedy foana anaratsiany anay. Sady tsy afa-po amin’izany ihany izy; fa ny tenany, tsy mandray ny rahalahy; izay te-handray ireo koa, sakanany sy roahiny amin’ny Eglizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Koa amin’izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Koa amin’izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy




3Jaona 1:10
16 Rohy Ifampitohizana  

Izay manafina ny zava-nitranga dia mahatonga alahelo; fa izay mananatra tsy misorona kosa mitondra fiadanana.


Ny hendry am-po dia mandray torolalana; fa ny adala miteniteny foana kosa ho very.


Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo izay mandray ny teniny amin-kovitra: «Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy, sady loa-bolana maneso anareo hoe: ‹Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny, dia hahita anareo mandresy izahay!› Kanjo ireny kosa no ho menatra.»


Sambatra ianareo raha halan’ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin’ny Zanak’olona.


Izany no tenin’ny ray aman-dreniny noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy; satria efa nifanaraka ny manampahefana jiosy fa raha manaiky an’i Jesoa ho Mesia, dia horoahina hiala amin’ny sinagôga.


Andro vitsivitsy taorian’izany nony tafavory ny mpino miisa tokony ho 120, dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra i Petera ka nanao hoe:


Amin’izao hahatongavako izao àry, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny hafa rehetra: efa voalazako izany fony aho tany aminareo fanindroany, nefa dia antitranteriko ankehitriny amin’izao aho tsy atỳ aminareo izao.


Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny mpianakavin’ny finoana.


Ary tsy vitan’izany, fa mianatra mandany andro miriorio mitety tranon’olona koa ireo; ary tsy hoe mandany andro fotsiny, fa mipentsompentsona, manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa miresaka zavatra tsy tokony horesahina.


Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;


Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany. Fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiresaka mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.


Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany.


Asan’olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin’ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra