Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 8:8 - DIEM PROTESTANTA

Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny fa tsy naringan’ny Israely, ireny no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia ny taranak’ireo, izay nandimby azy nipetraka tamin’ny tany, ka tsy naringan’ny zanak’i Israely, no nalain’i Salômôna ho mpanao fanompoana, mandrak’androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny, fa tsy naringan’ny Isiraely, no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka andro-any.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny fa tsy naringan’ny Israely, ireny no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany.

Jereo ny toko



2Tantara 8:8
11 Rohy Ifampitohizana  

i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; i Adônirama zanakalahin’i Habdà no mpiandraikitra ny asa an-terivozona.


I Hirama mpanjakan’i Tiro no nanome an’i Salômôna ny hazo sedera sy ny hazo kipreso ary ny volamena rehetra nilainy nenti-nanaovana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka. Nony afaka ny roapolo taona nanoneran’i Salômôna ireo trano roa ireo, dia nomeny tanàna roapolo tany amin’ny faritr’i Galilea i Hirama.


Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.


Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.


Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin’i Salômôna izany, fa narotsany ho miaramila na ho manamboninahitra na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.


Tsy naringan’ny razanay ny Kanahanita, na dia nasain’ny TOMPO nataony aza izany.


Ary ny taranak’i Efraîma dia tsy nandroaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera. Koa mbola miara-monina aminy ihany ireny kanahanita ireny mandraka androany, ary nampanaoviny asa fanompoana.


Ary na dia efa nihanatanjaka aza ny Israelita, dia tsy naharoaka ny Kanahanita mihitsy saingy nampanao azy asa fanompoana.