Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
2Tantara 8:7 - DIEM PROTESTANTA Mbola nisy sisa tavela teo amin’ny tany ireo antokon’olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amôrita mbamin’ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan’ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Israely, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nisy sisa tavela teo amin’ny tany ireo antokon’olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amôrita mbamin’ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan’ny Israelita. Baiboly Katolika Ny vahoaka rehetra sisa tavela, tamin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jebôseanina izay tsy isan’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny amin’ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Isiraely, Malagasy Bible Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely La Bible en Malgache Ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Israely, |
Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
toraka izany ihany koa i Bahalato sy ny tanàna rehetra fitahirizam-bokatra na fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangan’i Salômôna avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny.
Taorian’izany zavatra izany, dia nanatona ahy ireo lehiben’ny Israelita ka nanao hoe: –Na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, dia tsy mbola miavaka amin’ny valovotaka, fa maka tahaka ny zava-maharikoriko fanaon’ny Kanahanita sy Hitita, ny Perizita sy Jebosita, ny Hamônita sy Môabita, ary ny Ejiptianina sy Amôrita.
Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.