Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholom-bahoaka rehetra koa dia naniratsira an’Andriamanitra araka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ny hafa firenena, ka nandoto ny tempoly izay efa natokan’ny TOMPO ho Azy tao Jerosalema.
2Tantara 7:7 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay no nanokanan’i Salômôna ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran’ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin’i Salômôna manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sabora. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanamasina ny afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO i Solomona; fa tao no nanolorany ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon’i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny sabora. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay no nanokanan’i Salômôna ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran’ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin’i Salômôna manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sabora. Baiboly Katolika Nohamasinin’i Salômôna ny afovoan’ny kianja, eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana mbamin’ny saboran’ny sorom-pihavanana, satria tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny sabora, ny ôtely varahina nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Solomona nanamasina ny afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran’ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon’i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora. Malagasy Bible Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora. La Bible en Malgache Ary nanamasina ny afovoan’ny kianja izay teo anoloan’ny tranon’NY TOMPO i Solomona; fa tao no nanolorany ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana; fa ny alitara varahina izay nataon’i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny sabora. |
Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholom-bahoaka rehetra koa dia naniratsira an’Andriamanitra araka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ny hafa firenena, ka nandoto ny tempoly izay efa natokan’ny TOMPO ho Azy tao Jerosalema.
Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.
«Ireo no sorona hatolotrareo ho an’ny TOMPO amin’ny andro fetinareo, afa-tsy izay hataonareo ho fanalàm-boady sy fanati-tsitrapo na sorona dorana izany na fanatitra lafarinina sy divay na koa sorom-pihavanana.»