Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;
2Tantara 7:12 - DIEM PROTESTANTA dia nisehon’i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona ho Ahy ity toerana ity. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony alina dia niseho tamin’i Solomona NY TOMPO ka niteny taminy hoe: Efa reko ny vavaka nataonao, ary efa nofidiko ho Ahy ity toerana ity ho trano fanolorana fanatitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nisehon’i TOMPO indray i Salômôna nony alina, ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona ho Ahy ity toerana ity. Baiboly Katolika Ary niseho taminy i Iaveh nony alina, ka nanao taminy hoe: «Efa nohenoiko ny vavakao, ary efa nofidiko ho trano fanateran-tsorona ity fitoerana ity. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah niseho tamin’i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra. Malagasy Bible Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra. La Bible en Malgache Nony alina dia niseho tamin’i Solomona NY TOMPO ka niteny taminy hoe: Efa reko ny vavaka nataonao, ary efa nofidiko ho Ahy ity toerana ity ho trano fanolorana fanatitra. |
Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;
Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà: –Mijanona eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Jôrdàna aho. Fa novaliany hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niara-nandeha izy mianaka.
hiverina ka hilaza amin’i Hezekià filohan’ny vahoakan’Andriamanitra hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko ianao.
Ny sarivongan’ny andriamani-bavy Aserà, izay nampanamboariny, dia napetrany tao amin’ny tempoly izay efa nolazain’ny TOMPO tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity tempoly ity sy eto Jerosalema izay tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra ity no hampitoerako mandrakizay ny voninahitro.
Tamin’ny alina iny no nisehoan’Andriamanitra i Salômôna ka nilazany hoe: –Angataho izay tianao homeko anao!
Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran’ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.
Ary ho mamin’ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan’i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin’ny andro taloha sy tamin’ny taona fahiny.
Fa hoy ilay anjely taminy: –Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany.
ka nilaza tamiko hoe: «Ry Kôrnely, nohenoin’Andriamanitra ny vavakao ary notsarovany koa ny fiantrana vitanao.
Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.