Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
2Tantara 6:3 - DIEM PROTESTANTA Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Israely rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy. Baiboly Katolika Raha efa izany, dia nitodika ny fiangonan’i Israely ny mpanjaka ary nitso-drano azy, ary ny fiangonan’i Israely rehetra dia tafatsangana. Dia hoy izy: Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), Malagasy Bible Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra), La Bible en Malgache Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Israely rehetra. |
Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
Ary rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny TOMPO.
Nony efa tapitra ny fanoloran-tsorona, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin’izay rehetra tafaraka taminy.
Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.
Avy eo izy dia hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:
Ny printsy filoha koa dia tokony hiditra ny tempoly rehefa miditra ao ny vahoaka, ary tokony hivoaka ny tempoly rehefa mirava ny vahoaka.»
Nisy vahoaka betsaka nitangorona teo akaikiny, ka voatery niakatra tao an-tsambokely anankiray Izy dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ amoron-drano.
Ary rehefa nitsodrano azy telo tonta i Josoa, dia nandefa azy hody any aminy sady nanafatra azy hoe: –Modia any aminareo miaraka amin’ny harena be, dia ny andiam-biby fiompy maro, ny volafotsy sy volamena, ny varahina sy ny vy, ary ny fitafiana miavosa; ka zarao amin’ireo mpiray foko aminareo ny zavatra nobaboina tamin’ny fahavalonareo. Dia lasa nody tany aminy avy izy telo tonta. Ny antsasapokon’i Manase dia nomen’i Mosesy zaratany tao Basàna, teny ampita atsinanan’i Jôrdàna; ny antsasany kosa nomen’i Josoa zaratany teny ampita andrefan’i Jôrdàna, niaraka tamin’ireo foko hafa.