Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 5:6 - DIEM PROTESTANTA

I Salômôna mpanjaka sy ireo Israelita rehetra tafangona niaraka taminy teo anoloan’ny Vatamasina kosa dia samy nanao sorona omby sy ondry aman’osy marobe tokoa hany ka tsy tambo nisaina intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ny vata misy ny Fanekena, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Salômôna mpanjaka sy ireo Israelita rehetra tafangona niaraka taminy teo anoloan’ny Vatamasina kosa dia samy nanao sorona omby sy ondry aman’osy marobe tokoa hany ka tsy tambo nisaina intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

I Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia samy teo anoloan’ny fiara avokoa. Namono omby sy ondry natao sorona izy ireo ary tsy azo isaina na tombanana fa maro loatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman-osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ny vata misy ny Fanekena, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.

Jereo ny toko



2Tantara 5:6
6 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa namindra inenina ireo mpitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao sorona omby sy zanak’omby matavy i Davida.


I Salômôna mpanjaka sy ireo Israelita rehetra tafangona niaraka taminy teo anoloan’ny Vatamasina kosa dia samy nanao sorona omby sy ondry aman’osy marobe tokoa hany ka tsy tambo nisaina intsony.


Nisy sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo natolotra ho an’ny TOMPO, ny ampitson’iny: dia vantotr’ombilahy arivo, ondrilahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra divay araraka momba ireo. Be dia be tokoa ny sorom-pihavanana ka ampy hamahanana ny Israelita rehetra tonga teo.


ka nampiakariny niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.


Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;