Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Nisy sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo natolotra ho an’ny TOMPO, ny ampitson’iny: dia vantotr’ombilahy arivo, ondrilahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra divay araraka momba ireo. Be dia be tokoa ny sorom-pihavanana ka ampy hamahanana ny Israelita rehetra tonga teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Nony ampitson’iny dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia vantotra ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Nisy sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo natolotra ho an’ny TOMPO, ny ampitson’iny: dia vantotr’ombilahy arivo, ondrilahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra divay araraka momba ireo. Be dia be tokoa ny sorom-pihavanana ka ampy hamahanana ny Israelita rehetra tonga teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ny ampitson’izany andro izany, dia namono zavatra natao sorona ho an’i Iaveh izy ireo, sy nanolotra sorona dorana ho an’i Iaveh: ombalahy arivo, ondralahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra araraka fanao, ary sorona hafa be dia be, ho an’i Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehovah nony ampitson’iny, dia vantotr’ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Nony ampitson’iny dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia vantotra ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:21
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny sorona natolotra tamin’io fitokanana io dia ombilahy zato sy ondrilahy roanjato ary zanakondry efajato; ary ny ho sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka Israely manontolo dia osilahy 12, izany hoe anankiray isam-poko.


Ny fanatitra vokatry ny tany hampombaina io sorona io kosa dia koba lafarinina tsara milanja enina kilao, voadity tamin’ny menaka, ka hatao fanatitra levonina amin’ny afo mba ho hanitra ankasitrahiko; ary ny fanatitra araraka dia divay iray litatra sy sasany.


ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.


ary hanolotra divay iray litatra sy tapany miaraka amin’ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.


ary divay roa litatra no haterina miaraka amin’ny ondrilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra