Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Tantara 29:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Tamin’izany andro izany, dia tamin-pifaliana lehibe no nihinanan’ny olona sy nisotroany teo anatrehan’ny TOMPO. Dia nanaovana fanambaràna fanindroany ny maha mpanjaka an’i Salômôna ka natolotra azy teo anatrehan’ny TOMPO ny fahefana maha mpanjaka; ary natokana ho mpisorona kosa i Tsadôka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Nihinana sy nisotro tamin’ny fifaliana be teo anatrehan’NY TOMPO ny olona tamin’izany andro izany. Ary nohamafisiny indray ny maha mpanjaka an’i Solomona, zanak’i Davida, sady nohosorany ho an’NY TOMPO ho mpanapaka, ary i Zadoka kosa ho mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Tamin’izany andro izany, dia tamin-pifaliana lehibe no nihinanan’ny olona sy nisotroany teo anatrehan’ny TOMPO. Dia nanaovana fanambaràna fanindroany ny maha mpanjaka an’i Salômôna ka natolotra azy teo anatrehan’ny TOMPO ny fahefana maha mpanjaka; ary natokana ho mpisorona kosa i Tsadôka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Nihinana sy nisotro teo anatrehan’i Iaveh tamin-kafaliana lehibe izy ireo, tamin’izay andro izay. I Salômôna zanak’i Davida nantsoiny ampahibemaso fanindroany ho mpanjaka sy nohosorany ho mpanapaka teo anatrehan’i Iaveh, ary i Sadôka koa nohosorany ho mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary nihinana sy nisotro tamin’ny fifaliana be teo anatrehan’i Jehovah ny olona tamin’izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’i Davida, sady nohosorany ho an’i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:22
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandohalika i Baty-Seba ka niankohoka nitehi-tany ho fanajana ny mpanjaka ary nihiaka hoe: –Ho ela velona mandrakizay anie ianao, ry Davida andriamanjaka!


dia nobaikoiny hoe: –Vorio ny miaramila mpiambina ahy, dia ampitaingeno ny borikivaviko i Salômôna zanako, ka ento midina any Gihôna izy.


I Benaià zanakalahin’i Jôiadà no nasolon’ny mpanjaka azy ho filohan-tafika, ary i Tsadôka mpisorona kosa no nasolony an’i Abiatara.


Dia nijanona telo andro tao Hebrôna niaraka tamin’i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin’ireo havany ho azy.


Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.


Ary nony andro faha-23 tamin’ny volana fahafito dia nalefan’i Salômôna hody any an-tranony avy ny olona; ary faly sy ravoravo ireo noho ny soa nataon’ny TOMPO tamin’i Davida sy tamin’i Salômôna ary tamin’i Israely vahoakany.


Dia nody izy rehetra mba hihinana sy hisotro ary hanatitra anjara ho an’ny sasany tsy manana ka nanao fifaliana lehibe. Azony tsara manko ny teny izay nampianarina azy.


Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.


Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.


Ny hany fahasambaran’ny olona dia ny mihinana sy ny misotro ary ny mifaly amin’ny valin-kasasarany. Tsapako fa avy amin’Andriamanitra izany fahasambarana izany;


Raha ny amiko, dia deraiko ny fifaliana, satria ny hany fahasambaran’ny olona eto ambonin’ny tany dia ny mihinana sy misotro ary miravoravo. Izany no tokony hanaraka ny asany mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany etỳ ambonin’ny tany.


Noho izany, hano amim-pifaliana ny haninao ary sotroy amin’ny fo ravoravo ny divainao, satria efa sitrak’Andriamanitra ireo asanao.


Ny printsy filoha koa dia tokony hiditra ny tempoly rehefa miditra ao ny vahoaka, ary tokony hivoaka ny tempoly rehefa mirava ny vahoaka.»


Ao ianareo sy ny ankohonanareo no hanao sakafo sy hifaly eo anoloan’ny Toeramasin’ilay TOMPO Andriamanitrareo noho ny fiharian-karena rehetra nitahiany anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra