Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 17:2 - DIEM PROTESTANTA

Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Namponina miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra manerana ny tanin’i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ny tanin’i Joda sy tany amin’izay tanànan’i Efraima efa azon’i Asa rainy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

nametraka antoko-miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin’ny tanànan’i Efraima efa azon’i Asà rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary namponina miaramila tamin’ny tanàna mimànda rehetra eran’i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ny tany Joda sy tany amin’izay tanànan’ny Efraima efa azon’i Asa rainy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Namponina miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra manerana ny tanin’i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ny tanin’i Joda sy tany amin’izay tanànan’i Efraima efa azon’i Asa rainy.

Jereo ny toko



2Tantara 17:2
6 Rohy Ifampitohizana  

Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda,


Nanenjika an’i Jerôbohama i Abià ka nisy azony ny tanànany, dia i Betela sy i Jesanà ary i Hefrôna mbamin’ireo tanàna madinika manodidina azy avy.


Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.


Ireo no vondro-miaramila nivonon-kanompo ny mpanjaka, ankoatra izay napetrany tany amin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda manontolo.


Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala.